Sosialy

Taksiborosy manararaotra ny fahatongavan’ny Papa Ho hentitra ny sazy omen’ny ATT


  • Alarobia 04 Septambra 2019

Tsy tokony hanararaotra amin’ny fahatongavan’i Papa François eto amintsika, amin’ny fampiakarana sara-dalana ireo taksiborosy mampiasa ny lalam-pirenena rehetra eto amin’ny nosy,

 

 

 

hoy ny filoha tale jeneralin’ny antokon-draharaha misahana ny fifamoivoizana an-tanety na ny ATT, ny jeneraly Reribake Jeannot. Handray fepetra amin’ireo taksiborosy manararaotra mampiakatra ny sara-dalana noho izany ity antokon-draharaha ity, hoy izy. Marina, fa mety tsy ho ampy ireo taksiborosy miasa ireo, hoy ny fanazavana, kanefa tokony tsy hanararaotra amin’ny fampiakarana ny sara-dalana izay ireo mpamily sy ny tompon’ny fiara, hoy hatrany ny tatitra azo. Nambarany, fa na zotra rejionaly na zotra rezionaly dia tokony tsy hampiakatra ny sara-dalana. Efa misy ny “cahier de charge”, ka voasoratra ao anatin’io kahie io ny sara-dalana ary hijanona sy hanaja izany ireo taksiborosy miasa ireo. Nampitandrina ity tale jeneralin’ny Att ity, fa tsy hilefitra ary tsy misy indrafo ho an’ireo taksiborosy tratra mampikatra izay sara-dalana izay, hoy izy.  Ireo taksiborosy mampitohy an’Antananarivo  – Toamasina, Antananarivo – Antsirabe, Antananarivo – Mahajanga, ireo matetika no mampikatra izay sara-dalana izay, koa mampitandrina izany izy, mba tsy hisy ny fanararaotana amin’izao fahatongan’i Papa François eto izao, raha ny fanamafisana nataony hatrany.  Marihana, fa tokony hijanona amin’ny asany andavanandro ireo taksiborosy ireo, amin’izay fanajana ny sara-dalana tokana izay. Hafa indray mantsy raha toa ka misy ny fifanarahan’ny mpizaika izay hitsena an’ny Papa, amin’ny mpamily sy ny tompon’ny fiara, hoy hatrany izy.

 

Siraka r.   

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT