Sosialy

Taksibe sy fiarakaretsaka eto Iarivo Entanin’ny mpamojy voina hampiasa dabam-pako


  • Alatsinainy 26 Aogositra 2019

Miomana sahady amin’ny fiatrehana ny fotoam-pahavaratra ny sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalana.

 

 

 Roso amin’ny fijerena ireo tany ahiana hihotsaka eto an-drenivohitra izy ireo sy ny  hazo lehibe ahiana hianjera sy  ireo trano ahiana hitera-doza. Ankoatra izay, handray anjara feno amin’ny fiarovana ireo tata-drano eto an-drenivohitra tsy ho dibo-drano toy ny teo aloha intsony koa ity sampandraharaha iray eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ity. Anisan’ny paikady hampiasainy amin’izany ny fanentanana ny olona mba tsy hanary fako etsy sy eroa ka mety hanentsina ireny tata-drano ireny. Nisy ny sabotsy teo ny fanentanan’izy ireo ny taksibe sy ny fiarakaretsaka mba hampiasa dabam-pako kely hanarian’ny mpandeha any anaty fiara ny fakony. Anisan’ny mampitombo ny fako eto an-drenivohitra ihany koa mantsy ny fisian’ireny mpandeha anaty fiara manary fako eny ivelany ka nandraisan’izy ireo fepetra. Araka ny fantatra, tsy lafo ny vidiny fa mora ary eny anivon’ny koperativa no hividianana azy ho an’ny taksibe. Anjaran’ny mpanampin’ilay mpamily rehefa tonga eny amin’ny toby fiantsonana izy ireo no manary ny fako any amin’ny toerana tokony hisy azy, raha ny fanazavana azo hatrany.

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT