Sosialy

TAKSIBE MIHODINA AN-DALANA Mila fiaraha-miasa amin’ny CUA ireo kaominina manodidina


  • Alatsinainy 26 Aogositra 2019

Tsy misy izay tsy mitaraina amin’ny hafitsoky ny taksibe ny ankamaroan’ny mpandeha eto an-drenivohitra sy ny manodidina.

 

 

 

Ho an’ny eny Itaosy Atsimondrano  manokana, ohatra, dia anisan’ny olana mbola sedrain’ny mpandeha ny tsy fahatongavan’ny taksibe any Analakely, toby fiantsonana farany. Mihodina an-dalana eny 67 ha avokoa izy ireo, indrindra ny maraina ora fandehanan’ny mpiasa mamonjy asa, fotoana tena mahabetsaka ny fitohanana eny an-toerana. Ho an’ireo mihazo ny hopitaly Itaosy manokana dia nambaran-dRatianarivo Bruno, ben’ny tanànan’Ambavahaditokana fa efa tena miezaka izy ireo manao izay ho afany mandamina ny fifamoivoizana ao amin’ny faritra iadidiany. Anisan’izany ny fanarahan’ireo fitaterana araka ny tokony ho izy ny “cahier de charge” sy ny fanaovana hatrany ny zotra mihazo ny hopitaly, tsy miovaova. Na izany aza anefa dia ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra mba hahalavorary tsara ny asa. Hatreo Ampasika ihany mantsy raha ny fanazavany no azon’ireo zandary sy polisy arahi-maso izy ireny.

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT