Sosialy

Taksibe mihazo ny RN 1 Hampiakatra saran-dalana avokoa amin’ny volana martsa


  • Alarobia 27 Febroary 2019

Hampiakatra ny saran-dalany avokoa ireo taksibe ao anatin’ny zotra Kofiamo trans mampiasa ny lalam-pirenena voalohany mivondrona ao anatin’ny fivondronan’ny mpitatitra ivelan’Antananarivo Renivohitra na ny UCTS manomboka ny 10 martsa ho avy izao.

 

 

 Noho ny fiakaran’ny vidin-tsolika sy ireo karazana kojakoja hampiasaina amin’ny fiara,  ny haratsian-dalana, ny fitohanana  lavareny no nambaran’ny filohan’ny UCTS Rakotoarimanana Fidimalala  fa antony nandraisaisan’izy ireo ny fanapahan-kevitra. Ho an’ireo mihazo an’Imerintsiatosika dia hiakatra ho 1.200 Ar ho an’ny fiara sprinter, 1.400 Ar ho an’ny mazda kely raha 1.000 Ar avokoa izany teo aloha. Hiakatra  ho 800 Ar kosa ny an’i Vontovorona, 700 Ar Alakamisy Fenoarivo ary 500 Ar  ny eny Ampitatafika samy miainga avy eny Anosy.  Samy efa nampahafantarina ireo ben’ny tanàna lalovan’izy ireo ny fiakarana saran-dalana.  Ny hany hangatahin’ireto farany dia ny tokony hanatsarana hatrany ny tolotra omena ny mpanjifa hisorohana ny olana mety hitranga. Betsaka amin’ireo taksibe mantsy no faly mampiakatra saran-dalana fotsiny nefa  na ny seza afovoany hipetrahan’ny mpandeha aza toy ny kitay kely fandrehitra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT