Sosialy

Taksibe Ivato Mbola misy manao ny ataony ihany


  • Alarobia 21 Aogositra 2019

Na dia efa natao zotra filamatra aza ireo taksibe ao amin’ny zotra D mampitohy an’i Vassacos amin’ny tanànan’Ivato dia mbola misy ihany ireo manao ny ataony.

 

 

 

 Amin’ny ora mahabetsaka ny mpandeha  hamonjy asa no tena ahitana izany toy ny nitranga tetsy Andohatapenaka ny alatsinainy lasa teo.  Zara raha nijanona ilay fitaterana sprinter iray nandray olona nefa mbola nisy seza telo tao anatiny. Voatery nihazakazaka ireo maika hamonjy asa nanenjika azy ka nisy mihitsy ny naratra na dia teo amin’ny toby fiantsonana aza no niandry. Rehefa notenenina ilay mpanampin’ny mpamilin’ilay fiara  dia mbola vavabe  indray no nataony ary nilaza izy fa rehefa tsy hihazakazaka hanenjika aza, hono dia afaka mijanona satria maika izy. Nitambaran’ireo mpandeha tao anatin’ity taksibe ity moa ilay resevera vao nangina tanteraka.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT