Sosialy

Taksibe F nandona olona teny Anosy Efa karohan’ny mpitandro filaminana


  • Alarobia 22 Mey 2019

Niforitra tanteraka ny kodiarana aorian’ilay bisikleta, nidaraboka tamin’ny arabe ilay tovolahy ary tena voa mafy ny tongony.

Izay ny vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga nanoloana ny fiantsonan’ny taksibe eo amin’ny RNM Anosy omaly tokony ho tamin’ny 4 ora tolakandro latsaka kely teo. Iaraha-mahalala moa ny fitohanan’ireo taksibe eo amin’io fiantsonana iray io, misy ny miditra misy ny mivoaka eo koa ny somary manao vodihazo. Nisy ny fiara nivoaka, nisy koa ny nijanona ka tsy maintsy nijanona ilay tovolahy “coursier” nitondra bisikileta. Niraparapa avy ao aoriana, tsy tafajanona intsony noho ny fandehanana mafy ary nandona azy ilay taksibe Zotra F mitondra ny laharana 08… TBG. Tsy nijanona fa nirifatra nitsoaka io na dia efa nasain’ireo polisy manao “PR” nijanona aza. Ilay tovolahy efa naratra sy voa mafy no tavela teo niaraka tamin’ny bisikletany ary mbola nanosika azy namonjy ny toeram-piasany nitantara ny zava-nisy sy naka ny fitsaboana tsy maintsy natao maika. Helohin’ny lalàna ny fitsoahana fiara nitera-doza tahaka izao na inona na inona antony. Antenaina fa handray fanapahan-kevitra momba io fiara io ny koperativa misy azy izay miasa mampitohy ny CNaPS amin’Atsimondrano iny. Re fa efa mikaroka ilay taksibe sy ny saofera ihany koa ny mpitandro filaminana izay efa nampahafantarina ny zava-nitranga.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT