Averina ao am-pon’ny rehetra indray ny fitiavana an’Iarivo tanànantsika. Amin’ny alalan’ilay hetsika takarivan’Iarivo no
hanatanterahana izany izay hosantarina manomboka anio zoma hariva eny amin’ny avenue Analakely ao anatin’ilay teny filamatra hoe : andao ho eny amin’ny avenue e !. Ny kaominina Antananarivo Renivohitra no hikarakarana izany ka ho an’ny anio zoma dia hanomboka amin’ny 7 ora hariva ka hatramin’ny 1 ora maraina ny hetsika. Hanomboka amin’ny 5 hariva kosa izany rahampitso sabotsy hifarana amin’ny 1 ora maraina ihany. Homena tombony amin’izany avokoa ireo mpanakanto, mpivarotra hani-masaka, ny mpanendy masikita, ny mpikarakara kilalao maro isan-karazany… ka sady afaka hampidi-bola izy ireny no hahazo fahafinaretana ihany koa ireo mpinamana, mpifankatia, fianakaviana ho avy eny an-toerana. Hisy ny lalana akatona mandritra izany hahafahan’ireo mandeha an-tongotra miriaria. Hisy ihany koa ny toerana voatokana ho an'ny fiantsonan’ny fiara raha tsy latsa-danja amin’ireo ny fitandroana ny fandriampahalemana, ny toerana fivoahana sy fidiovana izany harahi-maso tanteraka. Tanjona amin’izany ny hanampiana ny mpiray tanindrazana handraharaha amim-pilaminana, ankoatra ny fampahalalana izay hay sy kanto rehetra miafina any amin’ny tsirairay any. Marihina moa fa afaka mihira ireo manan-talenta ho amin’izany. Afaka mitondra gitara, angorodao… Ao amin’ny kaominina Antananarivo moa no hatao ny fisoratana anarana ho an’ireo izay liana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.