Takaitran’ny rivodoza

Tafakatra 9 no maty, 24 944 traboina


  • Zoma 05 Janoary 2024

Tafakatra 9 ireo namoy ny ainy vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro

teto amintsika, araka ny antontan’isa navoakan’ny Biraom-pirenena misahana ny loza sy ny tandindon-doza na ny BNGRC omaly tolakandro. Ny 4 tamin’ireo tany Beroroha dia ireo olona 4 mianaka navadiky ny lakana ; 3 tany Manakara ; 1 tany Vohipeno, ary 1 tany Manja. Nahatratra 24 944 kosa ny olona traboina izay avy amin’ny tokantrano 5 238. Olona 9 336 avy amin’ny tokatrano 1 922 no nafindra toerana vonjimaika tany amin’ireo toerana 36 fandraisana traboina teny anivon’ny Kaominina. Miisa 4 833 ireo trano dibo-drano, 400 nisy fahasimbana, 87 kosa potika tanteraka, 51 ny efitranon-tsekoly niendaka tanteraka ny tafony, ary 4 niendaka tamin’ny ampahany. Faritra 5 tamin’ny 23 teto Madagasikara moa no nolalovan’ity rivodoza ity. Ankoatra ny aina nafoy sy toeram-ponenana sy fotodrafitrasa samihafa simba, dia betsaka ihany koa ny làlana simba sy tany nihotsaka, ka anisan’izany ny fahatapahan’ny zotran-dàlamby any Fianarantsoa noho izay fihotsahana izay, ary tahaka izany ihany koa ny fahasimban’ny RN7 eo Mahazengy izay voatery hametrahana tetezana vonjimaika. Koa olona 1 75 no ahetsika mandritra ny 5andro aloha hanao ny asa HIMO mba hivoahan’ny rano haingana, ireo olona 75 ireo dia misitraka tambi-karama 6.000Ariary isan'andro ,ary raha hita fa mbola tsy misava tsara ireo lakan-drano ahitana fahasarotana ny am fivoahan’ny rano dia mbola ho tohizina ihany izany arakan'ny nambaran'ny Tale Jeneralin’ny BNGRC, ny Jeneraly ELACK Olivier Andriakaja izay nidina ifotony tany amin’ny Distrikan’i Morombe.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT