Sosialy

Tahirin-tsakafo Ilaina ny mifampitsinjo…


  • Alatsinainy 23 Martsa 2020

Niantsena sy nanao tahirin-tsakafo ny tomponandraikitra ambony any Alemana, Angela Merkel, ny sabotsy lasa teo tao aminà tsena lehibe iray.

 

 

Nanaraka ireo toromarika sy fepetra napetrak` ilay tsena izy amin` ny fitsinjarana ny kojakoja ilaina. Ohatra ny taratasy fidiovana dia iray isan` olona ihany. Nilahatra niaraka amin` ny besinimaro izy ary nanaiky fandaminana satria tombontsoan` ny rehetra no tsinjoviny.  Mendrim-piderana ny fihetsika nataony. Mifanohitra tamin` izany anefa ny teto amintsika raha ny faran` ny herinandro lasa teo no hasian-teny. Nikorontana teny an-tsena fa tsy nifampitsinjo ny samy Malagasy. Ny manan-katao dia nanao be tsy handraofana. Ilaina ny manao tahirin-tsakafo sy fanafody saingy saino fa misy namana hafa koa ao aoriana ao mila izany.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT