Mivoatra ankehitriny ny toe-draharaha maneran-tany, hoy ny mpandraharaha misehatra eo amin’ny vary safiotra, Tahiana Razanamahefa.
Tsy afa-miala amin’izany isika eto Madagasikara, hoy izy. 2 taona isika izay niatrika ny vokatry ny COVID 19. Nisy fahaverezan-javatra sy tsy fidiram-bola tamina sehatra samihafa tao. Miverina tsikelikely isika ankehitriny amin’ny fanarenana izany vola very ara-ekonomika izany eto Madagasikara. Miditra indray koa anefa amin’ny akon’ny ady misy eo amin’I Okrainina sy Rosia. Nisy moa ny fanapahan-kevitry ny fitondrana malagasy hoe mila mametraka stratejia mahomby amin’izay isika hahatongavana amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Hisy noho izany ny fikaonan-doham-pirenena momba izany atao eny amin’ny CCI Ivato ny 16 hatramin’ny 18 jona izao hahafahana mandinika izany. Mandrisika ny vahoaka Malagasy sy ny politikan’ny governemanta Malagasy ankehitriny ireo mpamatsy vola mba hiverina amin’ny fambolena. Tsy ampy intsony ny famatsiana avy any ivelany amin’ny lafiny ara-tsakafo satria samy mitazona ny azy daholo izao ny firenena samihafa manoloana ny krizy mihatra sy mananontanona. Tsy maintsy miverina amin’ny fambolena isika, noho izany. Tantsaha ny 80%n’ny Malagasy. Betsaka ny tanimbary eto Madagasikara. Izahay moa dia resy lahatra fa ny fanapariahana ny voly vary safiotra no vahaolana lehibe iray hahafahantsika mahatratra izany fahavitan-tena ara-tsakafo izany. Efa nisy ny fakan-kevitra amin’ireo ambarantonga samihafa mikasika ity fikaonan-doha hanomboka ny alakamisy izao ity. Tany amin’ny faritra, tamin’ireo koperativa, tamin’ny alalan’ireo minisitera voakasika, sehatra tsy miankina no nanatontosa sy nanaovana izany nijerena hoe inona no hetaheta sy soso-kevitrareo na koa vahaolana hahatongavana amin’izay tanjon’ny fahavitan-tena ara-tsakafo izay? Ho aravina anatina asam-baomiera moa ny sosokevitra rehetra amin’io fikaonan-doha io mba hivoahan’ny fehinkevitr’izany avy eo. Raharahan’ny malagasy manontolo io aloha. Efa lany teo anivon’ny antenimieram-pirenena sy loholona moa ny lalana momba ny antsoina hoe “agrégation agricole” izay hahafahan’ny tantsaha miara-miasa tsy misy fantiantoka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Ny fanatanterahana ny fehin-kevitr’io fikaonan-doha io dia tena ilana ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina satria tsy mahavita tena irery ny fanjakana ary toy izany koa ny sehatra tsy miankina. Ilaina noho izany ny antsoina hoe 3P, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.