Sosialy

Tahiana Razanamahefa “Mbola maro ny velarantany azontsika hambolena vary”


  • Alatsinainy 28 Febroary 2022

Manaparitaka ny atao hoe ezaka fahavitan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny voly vary safiotra izahay aty amin’ny sehatra tsy miankina amin’izao fotoana izao,

hoy ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny orinasa misehatra amin’ny fambolena, STOI, Tahiana Razanamahefa. Misy, hoy izy, ny fiaraha-miasa amin’ny Dorkasy foibe FJKM ho fampianarana izany voly vary safiotra izany satria io no isan’ny vahaolana iray hahavitantsika izany fahavitan-tena ara-tsakafo izany. Tantsaha ny 80%n’ny Malagasy. Maro ny velarantany azontsika Malagasy hambolena vary eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Miditra indrindra isika anatin’izany fampandrosoana ifotony izany. Fampandrosoana izay iarahana amin’ny vehivavy rehetra. Isan’izany ny sampana Dorkasy. Ny fampianarana azy ireo, ny fanapariahana ihany koa ny voly vary safiotra manerana ny faritra izany satria fantatsika fa ny fikambanana Dorkasy manerana ny sahan’ny FJKM dia tafiditra amin’ny faritra miisa 23 eto Madagasikara ary tena vehivavy mavitrika sy mahavita tena izy ireo. Maninona isika raha miara-miasa hampivelatra an’izay sy hahafahantsika koa mampiroborobo ny fambolena sy ny asa ho an’ny vehivavy? “Reny” no fototeny ao anatin’ny hoe firenena. Hita araka izany fa tena mandray anjara lehibe amin’ny fampandrosoana ny vehivavy, ny reny. Santatra am-bavarano ny atrikasa amin’ny fankalazana ny andro iraisampirenena ho an’ny vehivavy ny 7, 8, 9 martsa eny amin’ny FJKM Ivato Fitraofana fa tsy maintsy misy ny fidinana ifotony ho fanatanterahana izany sy ho fanaraha-maso koa, hoy hatrany ny tenany. Manana tekinisianina maro afaka hanao izany rahateo ny aty amin’ny sehatra tsy miankina, hoy izy, ary faritra miisa 12 hatreto no efa misitraka izay voly vary safiotra izay.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT