Sosialy

Tahan’ny fahantrana eto Madagasikara 2 tapitrisa dolara ny vola ilaina amin’ny fanadihadian’ny INSTAT


  • Alarobia 24 Novambra 2021

7,5% ny tahan’ny fahantrana teto Madagasikara tamin’ny 9 taona lasa. Ankehitriny tsy fantatra intsony izany na miharatsy na mihatsara, indrindra taorian’ny fandalovan’ny valan’aretina Covid 19,

antony tsy maintsy hanatanterahan’ny INSTAT fanadihadiana. Tokantrano voafantina no hanatanterahan’izy ireo izany saingy manerana ny faritra 23 kosa. Mitentina 2 tapitrisa dolara mahery ny vola ilaina amin’izany ka ankoatra ny fandehanana midina eny ifotony ho an’ireo olona voakasika hanatanterahana izany dia hisy ihany koa ny fividianana fitaovana hampiasain’ny Instat hanatanterahana ny asa raha araka ny fantatra. Haharitra efa-bolana ny fanatanterahana ny fanadihadiana izany hoe : hanomboka amin’ny volana desambra. Nomarihin’ny tale jeneralin’ny Instat Atoa Isahora Zefania moa fa izao vao nisy sy hatao ity fanadihadiana ity noho ny tsy fahampian’ny ho enti-manana. Lafolafo ihany koa ny teti-bidin’ny asa hoy izy noho ny velarantany midadasika. Hiteny amin’ny anaran’ny tokantrano malagasy mantsy ny Instat aorian’izay hoy izy ka tsy maintsy tetezina ireo tokantrano vaofidy na aiza misy azy na aiza. Anisan’ny fanontaniana hapetraka amin’ireo tokantrano holalovan’ireo mpanao fanadihadiana ny asa tanterahin’ireo mpivady ao an-tokantrano, ny isan’ny olona tsy miasa, ny isan’ny zaza ateraka, ny reny, ny fandaniana ao an-trano isan’andro…..Tanjona ao anatin’izao fanadihadiana izao moa ny mba hahafahan’ny Fitondram-panjakana mamolavola tetikasa ho enti-miady amin’ny fahantrana ka anisan’ireny ny famoronana asa ho an’ny tanora.
Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT