Sosialy

Taham-pitadiavana nahandro gasy Niampy 30% tao anatin’ny 5 taona


  • Zoma 07 Septambra 2018

Hiditra amin’ny andiany faha-5 ankehitriny ilay fetin’ny nahandro gasy fanao isan-taona etsy Andohalo na ny Haify Mampiavana. Araka ny fanazavan’ireo mpikarakara dia tranoheva miisa 40 eo no handray anjara amin’izy ity ny 21 ka hatramin’ny 23 septambra izao.

 

 

 Fampihavanana ny nahandro Malagasy amin’ireo nahandro vahiny toy ny italianina, espaniola, koreanina, indrindra moa ireo akaiky firazanana amintsika toa an’i Indonesia no tanjona. Hisy mpahay nahandro avy amin’ireo firenena ireo, araka izany, andrasana ho avy amin’io. Tsy ho latsa-danja ihany koa anefa ny nahandro avy eto an-toerana toy ny avy ao Nosy Be sy Sambava. Miisa 6.000 kosa ireo mpitsidika andrasana ary natao ho an’ny rehetra, hoy ny mpikarakara. Misy fiantrakany miabo teo amin’ny lafiny toekarena sy fizahantany ny hetsika, hoy izy ireo, satria dia niampy am-polony ireo ivontoerana mpikarakara mpizahatany lasa mpiara-miasa ary niampy 30% ny taham-pitadiavana nahandro gasy tao anatin’ny 5 taona. Miha mivoatra ny fahaizan’ny Malagasy mahandro ary misy tamin’ireo ankizy nandalo tao anaty hetsika no nahazo fampiofanana any andafy, raha ny voazava hatrany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT