Sosialy

Taham-pahafatesan’ny zaza latsaky ny 5 taona Ny faritra Atsimo Atsinanana no tena ambony


  • Alarobia 03 Jolay 2019

Raha zaza arivo no teraka dia 59 amin’ireo no maty mialoha ny fahadimy taonany, 21 maty eo am-piterahana.

 

 

 

  Tarehimarika nivoaka nandritra ny fampahafantarana tamim-pomba ofisialy ny valin’ny fanadihadiana MICS (Multiple Indicator Cluster Survey) omaly talata 2 jolay, tetsy amin’ny hotely Colbert Antaninarenina ireo. Miisa 20 800 ireo tokantrano nanaovana fanadihadiana ka sivy no nahazoana tarehimarika mamaritra ireo sokajy tsirairay avy ireo momba ny fanabeazana, ny taham-pampiasana fanabeazana aizana, ny fananana herinaratra sy lohahevitra hafa mahakasika ny fanjarian-tsakafo sy ny herisetra. Araka ny nambaran’Atoa Randriamanampintsoa Marius, tompon’andraikitra eo anivon’ny MICS, any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana no tena ambony ny taham-pahafatesana eo amin’ny zaza latsaky ny 5 taona satria mahatratra 88 amin’ny zaza arivo teraka izany. Antony ny fahasarotan’ny lalana ahafahan’ireo mponina manatona toeram-pitsaboana sy ny tsy fahampian’ny fitaovana handraisana azy ireo. Ao  koa ny faripahaizan’ireo mponina. Zava-dehibe ny fanatanterahana fanadihadiana toy izao satria miainga amin’ny antontanisa avokoa ny tetikasa rehetra ary tena manan-danja sy ahafahana manatanteraka ny tanjona ho amin’ny fampandrosoana maharitra na ODD izany. Nanampy betsaka ny fanatanterahana ny fanadihadiana MICS ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny ankizy na Unicef.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT