TAFITASOA ANGELICO, ZAZA VAO IRAY VOLANA

Narian-dReniny rehefa avy nivoaka ny hopitaly


  • Alarobia 07 Febroary 2024

Tsy fantatra intsony na aretin-tsaina na vokatry ny fahasahiranana lalina mahazo ny Malagasy

fa lasa ny biby indray no tia sy miaro ny zanany kokoa raha oharina amin’ireo olombelona Ray aman-dReny sasany. Zazalahy kely vao iray volana monja antsoina hoe : Tafitasoa Angelico omaly Talata 06 Febroary no napetraky ny Reniny taman’olona rehefa narary ary avy nivoaka ny hopitaly tany Toamasina. Raha araka ny vaovao dia niteny tamin’ilay olona nikarakara ny trano fidiovana ao amin’ny chirurgie ao amin’ny hopitaliben’i Toamasina ilay Reniny fa hijery zavatra kely vetivety. Tany anefa ilay Ramatoa dia tsy niverina intsony. Rehefa nantsoina indray ny Rain’ilay zaza dia namaly ihany koa fa tsy vitany hono Tafitasoa Angelico satria tsy manana nono omena azy izy. Voatery notazonin’ilay tompon’andraikitra ao amin’ny trano fidiovana ao amin’ny chirurgie ilay zaza hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay raha efa nampandrenesina kosa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Amin’ny ankapobeny moa raha tsiahivina dia adidin’ny Ray aman-dReny ny mamelona ny zanany na inona na inona fahantrana sy olana. Melohin’ny lalana noho izany izay rehetra manao fihetsika mifanohitra amin’izany. Andrasana araka izany izay mety ho tohin’ity raharaha fanariana zanaka tany Toamasina ity.
Pati
Legende : Ity ilay zaza tsy manan-tsiny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT