Sosialy

TADY na “Tantsoroka ho an'ny diaspora”


  • Alarobia 26 Jolay 2023

Hitondra fanohanana 7 tapitrisa euros ny Frantsay

Mba hanampiana ireo diaspora na mpila ravinahitra any ivelany, misy ny tetikasa « TADY » na « Tan-tsoroka ho an’ny Diaspora » iarahan’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny sy ny Frantsay, hoentina manampy ireo diaspora ahafahany mitondra anjara biriky ho an’ny firenena nihaviany sy ny ivahinianany, ka tafiditra ao anatin’izany ny pitsopitsony momba ny lalàna sy ny fahazoan-dolana, ny lafiny sosialy mahakasika ny diaspora Malagasy. Natao io hanamafisana ihany koa ny fifandrohizana eo amin’I Madagasikara sy ireo terataniny mandeha mila ravinahitra, mba ho lasa fanohitra ara-toekare’ny firenena. Ao anatin’ny 4 taona ity fandaharan’asa ity, ka 7 tapitrisa euros ny fanohanana ara-bola entin’ny AFD na Fandaharan’asa Frantsay momba ny Fampandrosoana manohana azy. Efa nisy moa ny hetsika in-droa izay ambohipihaonan’ny diaspora natao teto Madagasikara, nahafahana namahavaha ireo vina sy tetikasa ahafahan’izy ireo mandray anjara amin’ny fampandrosoana. Isan’ny tena hery ara-toekarena ho an’ny firenena iray ny Diaspora raha hay ny mitrandraka azy ireo ho fanohitra ho an’ny firenena. Ho an’ny Kaomorianina izay vondrona nosy kely, ary bitika mitaha amin’I Madagasikara ohatra, dia mahangona 2 miliara dolara isan-taona miditra ho an’ny fireneny ny diaspora, ny antsika anefa manodidina ny 500 tapitrisa dolara eo. Isan’ny anton’izany ny tsy fisiana fahatokisana ka voalohany ny mpitondra, ny tsy fisian’ny fitoniana ara-pampiasam-bola sy ara-pandraharahana, ny kolikoly,… Momba ny politika, mbola tsy afaka mifidy ireo diaspora Malagasy hatreto na nisy aza ny fampanantenana nataon’ny Filoham-pirenena fa ho afaka hifidy amin’izao fifidianana 2023 izao. “Misy ezaka natao mahakasika ny fandraisan’anjaran’ny Diaspora Malagasy amin’ny fifidianana. Tsy miankina amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny irery anefa, fa misy pitsopitsony tsy maintsy atao, miaraka amin’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI. Misy dingana efa mandeha any, saingy mbola tsy afaka miteny izay hiafarany. Izay ny tanjona sy finiavana avy amin’ny governemanta, saingy tsy mora ny manao zavatra ka ho heno miandalana eny ihany ny tohin’ny dingana”, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny Atoa Tahiry Miakadaza Ratsimandao omaly, heno tamin’ny haino aman-jery.
Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT