Sosialy

Tabera Randriamanantsoa Aretin’ny fo no nandefasana azy any ivelany


  • Alatsinainy 02 Martsa 2020

Efa tonga soa aman-tsara any amin’ny Nosy rahavavy Maorisy tamin’ny faran’ny herinandro teo Atoa Tabera Randriamanantsoa,

 

 

 

filohan’ny antoko Kintana sady efa minisitry ny asam-panjakana teo aloha. Raha araka ny fanazavan’ny pastera Edouard Tsarahame, ao amin’ny rodoben’ny mpanohitra izay mpiara-miasa akaiky aminy dia aretin’ny fo no tsy maintsy nandefasana azy any ivelany raha efa nahitana fivoarany kosa ilay aretina hafa nitsaboana azy teto an-toerana. Tsy vita eto mantsy izany fitsaboana momba ny fo tsy maintsy hatao amin’Atoa Tabera izany, hoy izy. Ny fianakavian’ity farany no niantoka ny fandefasana azy any ivelany tamin’ny alalan’ny fanofana jet privé raha araka ny fanazavany hatrany raha ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka kosa no mandray an-tanana ny fitsaboana azy. Manantena, araka izany, ireo mpiara-dia amin’Atoa Tabera fa hahazo fahasalamana tsy ho ela ity farany ary ho tafaverina soa aman-tsara an-tanindrazana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT