Sosialy

Suzy, tovovavy manana fahasembanana In-droa nisy nanolana, bevohoka ny farany


  • Alatsinainy 15 Jona 2020

Zazavavy sembana ara-batana sy ara-tsaina i Suzy. Moana izy ary tsy mahavita mikarakara ny tenany ihany koa hany ka ny Reniny no manao izany rehetra izany. Fony izy 15 taona no fantatra fa efa nisy nanolana ary efa nametraka fitoriana "contre X"

 

 ny reniny satria tsy fantatra izay mety nahavanon-doza kanefa hatramin'izao tsy nisy vokany. Ankehitriny, 18 taona i Suzy ary mitoe-jaza. Tsy fantatra izay Rain-janany ; izy rahateo tsy afaka ny hanondro na hiteny akory izay nanolana azy noho io kilemany io. Marihina moa fa ny dadan'i Suzy dia jamba sy tapa-tanana (nipoahan'ny vato tamin'izy niasa tamin'ny kariera) hany ka ny reniny sisa no mamelona ny ankohonany ka tena sahirana tokoa. Nilaza ny mpitsabo nanara-maso an'i Suzy fa tsy maintsy ho didiana izy rehefa hiteraka satria tsy afaka ny hanena mihitsy noho ny toe-batany.Volabe tsy toko tsy forohana anefa ny saran'izany fandidiana izany ka mahakivy tanteraka ny reniny. Miantso ny Renin’ny Malagasy rehetra Rtoa Mialy Rajoelina sy ireo malala-tanana rehetra eto amin’ny firenena araka izany ny Renin’i Suzy sy ilay tsara sitra-po nanaparitaka ny vaovao mba hifanome tanana amin’ity ankohonana ity. Ny laharam-pinday 034 58 770 12 / 033 07 785 58 moa no hahafahana mifandray amin-dRtoa Hanta, Renin’i Suzy. Fantatra moa fa efa tonga nijery ity zazavavy niharan’ny herisetra ara-nofo ity ny ekipan’ny Ministeran’ny mponina izay nilaza fa handray an-tanana ny raharaha no sady hikarakara an’i Suzy ihany koa.

Nangonin’i Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT