Nandalo ny lalana rehetra tokony ho nandalovany iny LFR na lalàna fanitsiana ny tetibolam-panjakana 2018 vao nolanian’ny solombavambahoaka teo iny, hoy ny minisitry ny vola sy fitantanambolam-panjakana Vonintsalama Andriambololona tamin’ny fivoahany ny efitrano fivorian’ny Antenimieram-pirenena teny Tsimbazaza omaly.
Novolavolaina tao amin’ny filankevitry ny governemanta izy iny tamin’ny fotoanandrony dia nandalo tao amin’ny filankevitry ny minisitra, nodinihana sy nolaniana tety amin’ny Antenimieram-pirenena ary mbola handalo eny amin’ny Antenimierandoholona. Ny azo ambara, hoy ity minisitra ity nanoloana ny mpanao gazety omaly, dia zava-droa loha no nolaniana tao anatin’izy io dia ny fanampiana 100 miliara ariary ny “Subvention” nomena ny JIRAMA tamin’ny LFI (109 tapitrisa ariary) sy ny sora-bola amboniny ho an’ny mpiasam-panjakana Malagasy ka ireo vary mangatsiaka tsy voaloa toy ny “avancement”, “installation”, “vacation” ary ny volan’ny fisotroan-dronono. Mikasika ny vola hanatanterahana ny fifidianana kosa dia nambaran-dRtoa minisitra fa efa voasoratra tao anatin’ny LFI na ny tetibolam-panjakana fototra ka mitentina 40 miliara ariary ny totaliny nefa noho ny fitombon’ireo birao fandatsaham-bato manerana ny nosy sy noho ny fitombon’ny vidina “imprimé” dia mangataka 16 miliara ariary fanampiny ny CENI ka tsy maintsy ataon’ny minisitera tarihany ny ahitana azy fa manaraka tsara ny laharam-pahamehana voafaritry ny praiminisitra Ntsay Christian ny fanatanterahana fifidianana amin’ity taona 2018 ity. Nomarihan’ny minisitra Vonintsalama Andriambololona kosa fa efa navoakan’ny minisitera tantanany tamin’ny alakamisy 28 jona teo ny vola “subvention” na vola fanampiana ho an’ireo mpitatitra fa anjaran’ny fikambanan’ireo mpitatitra sisa no mandamina ny fizarana an’izany ho an’ireo mpitatitra tokony hisitraka izany.
Ntsoavina Evariste/Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.