Sosialy

STOI, MINAE, Yuan’s international Hamatsy vary safiotra ireo traboinan’ny rivodoza


  • Zoma 10 Febroary 2023

Natolotra tamin’ny fomba ofisialy omaly hariva tetsy amin’ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana etsy Anosy ny vary safiotra 5 taonina sy zezika biolojika na zezika taroka 5 taonina

ihany koa hamonjena ireo traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso farany teo teto Madagasikara. Fiaraha-miasan’ny orinasa tsy miankina STOI sy ity minisitera ity na MINAE ary ny orinasa sinoa namokatra voalohany ity karazam-bary ity, Yuan’s international, izay miasa eto Madagasikara izy ity, hoy ny fanazavana. Tanjona ny hahafeno hanampamokarana na fitaovana enti-mamboly ho an’ireo tantsaha mba hahafahan’izy ireo mihoitra taorian’ny fahavoazana, hoy ny minisitra Harifidy Ramilison. Iaraha-mahalala, hoy ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny orinasa STOI, Tahiana Razanamahefa, fa manodidina ny 3t/ha isan-taona no vokatra azo hatreto amin’ny karazam-bary mahazatra antsika, raha toa ka 12t fara-fahambaniny ary mety hahatratra 15t/ha mihitsy ho an’ny karazam-bary safiotra. 5 taona moa no fifanarahan’ny minisitera sy ny sehatra tsy miankina hanapariahana ny voly vary safiotra manerana an’I Madagasikara mba hahatrarana ny tanjon’ny filoham-pirenena ao anatin’ny velirano faha 9 dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo, hoy hatrany ny fampahatsiahivana natao omaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT