Sosialy

“Start up program Mitsiry” Tetikasa 10 hisitraka fanohanana 5000 dolara


  • Alarobia 09 Novambra 2022

Mpandraharaha Malagasy miisa 10 nisongadina tao anatin’ny 83 nifaninanana no hisitraka fanohanana andiany voalohany mitentina 5000 dolara hoenti-manafaingana ny tetikasany,

amin’ny alalan’ilay fandaharan’asa “Start up program Mitsiry”, izay eo ambany fiahian’ny Sampan-draharaha Amerikanina momba ny fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID) sy ny Miarakap. Ny tetikasa Mitsiry dia natao hanohanana ireo orinasa madinika sy salantsalany izay mikendry ny hanana fiantraikany tsara eo amin’ny tontolo iainana sy ny fiaraha-monina, misy akony ara-toekarena,… Ny 30 jona hatramin’ny 16 aogositra ny fandraisana ireo ny pitsopitsitsony ho an’ireo orinasa, izay nahatratra 83 no nandray anjara. 16 ireo voafantina nanao fandresen-dahatra tamin’ny alalan’ny oronan-tsary nahafahan’ny mpifantina namoaka ireo 10 ny 18 oktobra lasa teo, ka ireo no hisitraka ny fandaharan’asa hanafainganana ny tetikasany ao anatin’ny 4 volanaIreto avy moa ireo start-up 10 na orinasa sy ny tetikasany, izay nambara ofisialy ny alatsinainy 07 novambra 2022: Malakas misehatra any Atsimo Andrefana, manodina mangahazo ho lafarinina tsara kalitao sy natoraly tsy misy ilay singa antsoina hoe: “gluten”; Honey of Madagascar (Analamanga, Atsimo Andrefana), manangona sy manodina ary manondrana tantely; ECTA (Diana): manodina sy manondrana sôkôla novokarina avy amin’ny Cacao avy any Sambirano; Charbon Mitsinjo (Atsimo Andrefana): fanodinana fako ara-pambolena sy akora avy eny an-dranomasina ho lasa arina fandrehitra; BSF Farm (Analamanga, Atsimo Andrefana): fiompiana ireo antsoina hoe: “mouches soldats noires” havadika ho lafarinina misy otrik’aina mafonja ho an’ny sakafom-biby fiompy; Soanay (Anosy): fanodinana voankazo, legioma,… ho lasa akora maina azo amidy; Agriqual (Atsimo Andrefana): famokarana sy fivarotana holatra; Ando Pépinière PAI (Atsimo Atsinanana): famokarana sy fivarotana zanankazo tanora sy masom-boly ho an’ny tontolo ambanivohitra; Agrohelp Consulting (Atsimo Andrefana, Menabe): fitrandrahana ireo antsoina hoe: “graine de neem” hamokarana “bio pesticides” na famonoana bibikely (FA-NAT) sy fanamasahana ny tany natoraly (ZE-NAT) Adi’Gasy Company (Analamanga, Manabe): fitrandrahana “graine de neem” hamokarana famonoana bibikely antsoina hoe: PESTI NAT. Hisitraka ilay fampindram-bola 5000 dolara tsy misy zanany izy ireo, ary hahazo tantsoroka samihafa. Mety hahatratra 45 000 dolara ny fanohanana ho an’ireo tena ahitana vokatra miabo ao anatin’ny 4 volana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT