Sosialy

STAR TOUR andiany faharoa Any Antsirabe manomboka ny 20 aprily ho avy izao


  • Zoma 05 Aprily 2019

Toy ny fanaony isan-taona dia hanatanteraka ilay Star tour ao Antsirabe, toerana malaza rehefa fetin’ny Paska ny orinasa Star.

 

 

 

 Hanomboka ny 20 aprily ho avy izao no hanatontosany izany  amin’ny alalan’ny hetsika maro samihafa. Ankoatra ny lanonana isan-kariva hahafahan’ny mpinamana, mpifankatia miara-misakafo sy milanonana dia hisy ny  fifaninanana maro azon’ny  rehetra handraisana anjara, anisan’ireny ny ankizy izay hanana ny toerana manokana. Azon’izy ireo atao tsara ny manao diabe amin’ny alalan’ny fihaingoana maro samihafa, ny fifaninanana hazakazaka am-bisikileta...  Ho an’ny fampisehoana manokana dia mpanakanto maro  no hifandimby hanafana ny lanonana toa an’i Dadi Love, Tence Mena, Lola, Jess Flavi One sy Mad Max miaraka amin’ireo mpampandihy fanta-daza toa an’i Dj Nicki DiManu, Dj Sniper ary Teejay Jerry. Araka ny tafa nifanaovan’ny mpikarakara tamin’ny mpanao gazety omaly dia tsy atahorana ny fandriampahalemana fa efa voafehy tanteraka.  Hahazo loka daholo ihany koa ny mpandray anjara rehetra. Tsy misy vidim-pidirana ny lanonana.

. Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT