Sosotra ny mponin’Andranomanalina

Nosakanan’ny fokontany sy ny kaominina ny asa fanadiovana


  • Alarobia 23 Oktobra 2024

Herinandro aty aorian’ny nanombohan’ny fanadiovana lakan-drano amin’ny alalan’ilay tetikasa Asa Maharitra

ho an’Antananarivo dia miala any sahady ny sakantsakana. Efa hatramin’ny androany (talata) maraina no tazana nijerijery sy toa naka sary teny amin’iny faritr’Andranomanalina iny ny mpiasan’ny kaominina hoy ireo mponina eny an-toerana. Teny amin’ny toerana nandalovan’i Tahina Razafinjoelina sy ny ekipany ary nanombohana ilay asa fanadiovana ny lakan-drano sy nandritrana ny rano miandrona no nivezivezen’izy ireo. Nisy mponina sasany teny an-toerana nomena akanjo dia nampiasaina hanadio lakan-drano tahaka ny nataon’ny ekipan’ny Tia Tanindrazana niaraka tamin’ireo vahoaka. Nilatsaka avy eo ny teny midina hoe miala amin’izay ianareo fa aleo ataon’ny kaominina amin’izay ny asa,manindry ihany koa ny ao amin’ny fokontany. Tsy vitan’izay fa nakatona ihany koa ilay lakan-drano tokony hanariana ireo rano notrohana avy amin’ilay moto pompe. Tena nahasosotra sy nahatezitra ny mponina teny an-toerana izany, hoe nahoana no asa hanatsara ny tontolo iananay sy ny manodidina ny fonenanay no somparana tahaka izao. Olona miasa tsara, mahalala ny maika sy marary ny vahoaka ve no hanaovana antsojay tahaka izao , sao dia mba tsy rariny hoy izy ireo. Hatrizay fampanantenana sy kabary no betsaka, tsy hita izay asa.Ankehitriny kosa tena hafa i Zoky Tahina hoy ny mponin’Andranomanalina ny ampitson’ny teny nataony dia tonga ny fitaovana rehetra hanaovana ny asa ; rehefa mandeha tsara ve ilay asa dia sakanana indray, hoy izy ireo.
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT