Sosialy miharatsy

Mety hihoatra ny 10% sondro-bidim-piainana amin'ny jona


  • Alatsinainy 08 Aprily 2024

Tahan’ny sondro-bidim-piainana tarehimarika roa na « taux d’inflation à deux chiffres »

hatrany amin’ny jona 2024, raha ny valin’ny fanadihadian’ny Banky Foiben’i Madagasikara tao anatin’ny fanadihadiana ECE (Enquête de Conjoncture Economique) an’ireo banky eto an-toerana tao anatin’ny telo volana faran’ny 2023. Ny 59,7% tamin’ireo Banky dia naneho an’io avokoa. Mihoatra ny 10% noho izany ny tahan’ny sondro-bidim-piainana any amin’ny volana jona. 44,8% tamin’ireo banky eto an-toerana rahateo dia naneho, fa ho teo amin’ny 9 ka hatramin’ny 10% ny sondro-bidim-piainana ny taona 2023, tao anatin’io tatitra io. Ho an’ny Banky Foibe kosa, dia 7,5% ny tahan’ny sondro-bidim-piainana tao anatin’io vanim-potoana io. 32,9% tamin’ireo banky kosa no nieritreritra fa 8,0% sy 9,0% kosa io sondro-bidim-piainana io ny martsa 2024 ho an’ity taona ity. Ny Minisiteran’ny vola sy ny toekarena kosa dia nanombatombana ny febroary teo fa tsy hihoatra ny 7,7% ny tahan’ny fiakaran’ny vidim-piainana ho an’ity taona 2024 ity. Efa tafiditra anatin’ny fikajiana ny ahiahy samihafa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, toy ny fifandonana ara-jeopolitika eo amin’i Russie sy Ukraine, ny an’ny Hamas sy Israèl na koa ny krizy eo amin’ny fitaterana an-dranomasina any amin’ny ranomasina mena. Io tahan’ny sondro-bidim-piainana nofaritan’ny Minisiteran’ny toekarena io dia ambany noho ny tombatomban’ny Banky Iraisam-pirenena tao anatin’ny tomboatomban’ny ho avy ara-ekonomika aty Afrika atsimon’i Sahara, fa taorian’ny 10,5% ny taona 2023, dia eo ho eo amin’ny 8,5% ny taona 2024-2025. Ny Banky Afrikanina momba ny fampandrosoana na ny BAD kosa nanombana fa 8,2% ho an’I Madagasikara ho an’ity taona ity, raha ny voafaritra tao anatin’ny tatitra momba ny taona 2023. Ny ara-taratasy no ireo, fa ny zava-misy tena iainan’ny Malagasy, dia tena ambony lavitra noho io, raha tarafina amin’ny fidangan’ny vidim-piainana amin’ny ankampobeny miseho amin’ny endriny maro. Mampanahy hatrany ny hoavy ara-toekarena sy ara-tsosialy eto Madagasikara. Vao herinandro lasa izay no namoahan’ny Heritage Foundation, fa nihemotra i Madagasikara teo amin’ny fahalalahana ara-toekarena. Ratsy dia ratsy ny naoty : zon'ny fananana (41.1/100), ny fahalalahana miasa (37.5/100) ary ny fahalalahana ara-barotra (68.4 /100),...
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT