Sosialy

Sosialy Mbola vitsy ny Malagasy manana fiantohana ara-pahasalamana


  • Zoma 18 Martsa 2022

Mbola vitsy amin’ny Malagasy no manana fiantohana ara-pahasalamana sy amin’ny fiainana ankapobeny mihitsy eto amintsika.

Tsy vitsy anefa ireo tena sahirana mafy rehefa sendra tojo tsy fahasalamana ka sanatria miditra hopitaly na koa hampiditra mpianatra hianatra. Izany indrindra no nanosika ny banky BNI Madagascar hiara-kiasa amin’ny Sanlam Assurance entina hanampiana ny mpiara-belona. Nampahafantarina tamim-pomba ofisialy afak’omaly ny fisian’io tolotra vaovao io. Anisan’ireny ny tolotra Assurance hospitalisation Tomady ho an’ireo tojo tsy fahasalamana. 10.000 Ar isam-bolana ny latsak’emboka aloha amin’izany dia voaray an-tanana ny fahasalamana raha sanatria ka tojo olana. Toraka izany koa ilay assurance education Tafita. Miompana ranoray amin’ny resaka fianaran’ny ankizy eny anivon’ny sekoly ambaratonga ambony izy ity . Amin’ny alalan’ny fanaovana tahirim-bola no hahafahana misitraka izany. Ho an’ilay Assurance Miarina izay antoka ho an'ny ankohonana kosa indray dia natao hanampiana ny ao an-tokantrano mihitsy izy ity. Ireo tolotra rehetra ireo moa dia mitombo avokoa mety hahazoana zana-bola hatramin'ny 10% isan-taona izy io raha manomboka amin’ny 100. 000 Ar isam-bolana farafahakeliny ny latsak’emboka aloha.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT