Sosialy

Sosialim-bahoaka Tsy laharam-pahamehana ho an`ny fanjakana


  • Talata 10 Aprily 2018

Mbola sahy minia manakipy maso ve ny fitondrana ankehitriny amin`izao toe-draharaham-pirenena amin`izao ? Tafalatsaka ao anaty fahantrana ny Malagasy ankehitriny.

 

Tsy mitsaha-miakatra ny vidim-piainana, maivan-danja ny vola malagasy, zara fa misakafo ny ankamaroan`ny Malagasy … Hita ny elanelana misy eo amin’ny mpitondra sy ny entina. Ireo mpanankarena mahatsiaro ho miadana kanefa ny madinika mitrongy vao homana. Efa maro ihany ireo famatsiam-bola sy fanampiana tonga teto amintsika saingy indrisy tsy mbola hita ny fiantraikan’izany amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina fa ireo mpanao politika mpitady toerana no mahazo vahana ary voky hatrany. Miantso fitoniana foana mantsy ny fitondram-panjakana mba hihatsaràna velatsihy eo imason’ny vahiny fa hoe  milamina  ny firenena. Mahavalalanina tokoa ny Fitondrana HVM satria mahay manao doka ho an`ny tenany rehefa mitady famatsiam-bola raha misy mahamaika azy ireo. Tsy vao ela akory no nanao tatitra izay tena nipetrapetraka tamin`ny SADC mba ahazoana fanampiana amin`ny tetibola natokana ho an`ny fifidianana. Aiza avokoa ireo akon` ny fiaraha-miasa tamin`ireo fihaonambe nnisesy teto Madagasikara ? Tsy mipaka any amin`ny vahoaka ny fanampiana azo tany amin`ny Tahirim-bola iraisam-pirenena toy ny FEC (Facilite d`elargissement de credits) I sy II ?  Miharihary hatrany fa tsy laharam-pahamena ho an`izao fitondrana izao ny fijerena tombontsoa iombonan`ny Malagasy fa rehefa zavatra hafa dia mahita vola. Raha zohina akaiky anefa izany dia mitombina izany satria tsy mihaino sady tsy mitondra vahaolana amin’izao fitotonganan’ny fari-piainan’ny Malagasy izao ny mpitondra eto Madagasikara, fa vao maika aza mampitombo ny fandaniany eo amin’ny fiainany, ny fianakaviany ary ny manodidina azy.

 

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT