Tsy hivarotra latsaky ny 500Ar intsony ny mpivarotra arina fandrehitra na "charbon" eto Antananarivo, araka ny fanambaran’izy ireo ny faran’ny herinandro teo.
Hiakatra ho 30 000Ar ny vidin'ny iray gony menarirana, ary ho 55 000Ar kosa ny gony lehibe. Vokatry ny vola alain'ny orinasa Fanalamanga avo 10 heny tamin'ny teo aloha ny ny saran’ny ara-taratasy satria raha 100 000Ar dia lasa 1 000 000 ny "redevance" alaina aminay, hoy ireo Fikambanan’ny mpivarotra harina fandrehitra. 90% amin'ny famatsiana eto Antananarivo anefa amin'ny tapany antsinanana iny avokoa. Miakatra ny "redevance", ny vidin-kazo,... ekenay fa tsy zakan'ny mpanjifa, saingy tsy afa-manoatra, hoy ireo mpivarotra izay nilaza fa mahatra 41 000Ar ny mason-karena amin'ny gony lehibe, 22000 ny menarirana. Manomboka ny 5 Aogositra io dia ho famarana telo ihany sisa hisy dia 500, 1000, 3000Ar, hoy hatrany ireo mpivarotra harina fandrehitra. Ny 90% mponina an-tanàn-dehibe dia saika mampiasa harina fandrehitra avokoa, raha toa ka mety mampiasa kitay na angovo hafa mitovitovy amin’izany ny eny ambanivohitra, fa maro be ihany koa no mampiasa harina fandrehitra. Ny angovo amin’ny herinaratra, ny gaz,… dia mbola tena lafo eto Madagasikara. Marina fa tafiditra ao anatin’ny programam-panjakana ny fiarovana ny tontolo iainana, saingy mbola adihevitra hatreto hoe: inona no fepetra sy fikarohana vaovao mba zakan’ny vahoaka ny mason-karenany. Tandindon’ny krizy sy fidangan’ny vidim-piainana ny fidangan’ny vidin’ny harina fandrehitra. Mitombo ny fahasahiranana tsy roa aman-tany, raha ho tonga amin’io fanapahan-keviny io tokoa ny mpivarotra raha tsy mamoaka vahaolana mba hanalefahana izany ny Fanjakana satria resaka vola alain’ny Fanjakana aminy aloha izany no antony hampiakarana ny vidiny, raha zohiana ny fanambarana. Moa mba tsapan’ny mpitondra ve izany? 200 000Ar ny karama farany ambany araka ny lalàna, saingy mbola maro be ny mandray latsak’io. Tena tsisy hiainana, saingy samy manana ny manahirana azy angamba izao ny entina sy ny mpitondra ka asa na hiandry fipoahana ara-tsosialy vao ho taitra?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.