Sosialy

Sosialim-bahoaka Mampikolay ny fiakaran’ny vidim-piainana


  • Alarobia 08 Martsa 2023

Nandritra izay 4 taona nitondran’ny Filoha izay, tsy mitsahatra mitsitongana ny fahefa-mividin’ny isan-tokatrana noho ny fisodrotan’ireo ireo kojakoja fampiasa andavanandron’ny mponina,

indrindra fa ny vary izay foto-tsakafon’ny Malagasy. Nisondrotra avo roa heny ny fiakaran’ny vidin’entana ilaina amin’ny adavanandro. Raha tsy lazaina amin’ny vary izay nanodidina ny 450Ar, 550Ar izany tamin’ny 4 taona lasa, ankehitriny kosa efa tafiakatra 1000Ar ny iray kapoaka. Etsy andaniny anefa, hita ho tsy mahava olana sy mitaza potsiny ny mpitondra. Ny mpitondra izay zary lasa mandatsa vahoaka amin’ny sehoseho sy ny hoeraoera. Efa latsaka an-katerena tanteraka ny firenena satria ny vahoaka mihintsy no miraviravy tanana noho ny fahantrana lalina mianjady amin’izy ireo. Tsy mampiana-janaka intsony ny akamaroan’ny vahoaka noho ny hasarotan’ny vidim-piainana. Ao ireo mihinana tapa-kibo na mandry fotsy mihitsy aza, eny tena mikaikaika ny valalabemandry fa tsy mahita vahaolana, mitady izay ho arapaka sisa. Manjaka ireo tsy maty manota manabado vahoaka amin’ny fividianana azy ireo amin’ny vary masaka. Mba rahoviana vao hisy hijery ifotony izao fahoriam-bahoaka izao ? Noho ny fiakaran’ny vidim-piainana sa tetika maty paika hangalana ny vaton’ny mpifidy amin’izao akatoky ny fifidianana izao ? Ambava homana tompoko!
Princy Lucas (miza-draharaha)
Sary fanehoana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT