Sosialy

Sosialim-bahoaka Hatao peta-drindrina eny amin’ny fokontany ny lisitra


  • Talata 11 Aogositra 2020

Tsy voatery ireo noraisina anarana amin` ireny lisitra ireny no hisitraka ny sosialim-bahoaka hoy Hery Rasoamaromaka, governoran` ny faritra Analamanga.

 

 

 

Tsy maintsy hahazo kosa ireo tena hisitraka izany indrindra ireo voasokajy ho marefo amin`izao krizy ara-pahasalamana izany aorian` ny fanadihadiana izay tsy maintsy atao ihany koa. “Miverina amin` ny alarobia ny fizarana sosialim-bahoaka. Isaorana ireo minsitera sy ny ekipa nidina ifotony satria asa tokony natao andro maromaro dia vita tao anatin` ny dimy na enina andro. Mifanampy avokao ireo sampandraharam-panjakana isan-tsokajiny na ireo antoko politika aza. Ny fanavaozana ny fanisana ny mponina kosa dia mitohy ao anatin` ny folo andro ka amin` izay vao mahazo lisitra ara-dalàna. Ny azo antoka kosa dia 80 hatramin` ny 90% dia ho tafiditra ao anatin` ny lisitra”. Hatao petan-drindrina eny amin` ireo fokontany tsirairay avy kosa ny lisitr` ireo hisitraka izany amin` ity herinandro ity, hoy hatrany ny fanazavana.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT