SOS VILLAGES D'ENFANTS-

FIAROVANA NY ZON'NY ANKIZY


  • Alakamisy 11 Desambra 2025

Handrafitra paikady hifanaraka amin'ny Politikam-panjakana

Mbola lavitr'ezaka ny asa hatao amin'ny fanajana sy fiarovana ny zon'ny ankizy ho antsika eto Madagasikara raha ny fanazavan'ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny SOS Villages d'enfants tamin'ny mpanao gazety omaly. Raha mahatratra 30 tapitrisa mantsy ny isantsika Malagasy ankehitriny dia ny 15 tapitrisa amin'ireo dia ankizy latsaky ny 15 taona avokoa. Amin'ny ankapobeny dia mbola tsy misitraka ny zony ny ankamaroan'izy ireo indrindra fa ireo any ambany ravinkazo. Ho an'ny SOS Villages d'enfants manokana dia betsaka ny asa vitany nandritra izay 35 taona nijoroany izay. Raha teny Vontovorona Antananarivo no niandohany dia efa manerana an'i Madagasikara izy ireo ankehitriny izay tsy mpanao asa soa fotsiny fa sady mamorona asa ho an'ny mpiara-belona ihany koa. Handrafitra paikady hifanaraka amin'ny politikam-panjakana ho fampanjariana ny fiarovana ny zon'ny ankizy izy ireo araka izany. Hiarahany amin'ny UNICEF sy ny Ministeran'ny mponina ary ireo manam-pahefana isan-tsokajiny izany. Nanatanteraka fakan-kevitra nasionaly teny amin'ny Radisson Blu izy ireo nanomboka omaly. Tanjona ny mba hahafahana manatsara hatrany ny asa hiandraiketan'izy ireo ho fanajana ny zon'ny ankizy.
Pati
Légende : Ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny SOS Villages d'enfants !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT