Sosialy

SOS Village d’enfants Nanampy ireo toerana fitaizana zaza kamboty


  • Zoma 15 Aprily 2022

Miezaka hatrany manampy ireo ankizy sahirana sy kamboty eto amintsika ny fikambanana SOS Village d’enfants.

Ankoatra ireo raisiny an-tanana mivantana dia misy ihany koa ny fanampiany manokana ireo ankizy beazina eny anivon’ny akany tamin’ny alalan’ilay tetikasa Quapem, izay nifarana tamim-pomba ofisialy omaly rehefa naharitra 3 taona. Akany miisa 11 manerana ireo faritra efatra no nahazo tombontsoa tamin’izany dia ny Faritra Analamanga, Vakinankaratra, Vatovavy Fitovinany ary Atsinanana. Nomena fitaovana ireo akany ireo hahafahany mikarakara ny ankizy no sady nomena fiofanana ihany koa ireo tompon’andraikitra mba hanara-penitra ny fandraisana an-tanana azy ireny. Izany rahateo no tanjon’ity tetikasa ity. Nisy araka izany omaly ny fanaovana tatitra ny zava-bita ka nahafantarana fa nihabo hatrany ny ezaka natao ary ezahin’ireo akany hotazonina. Na izany aza ity ny tetikasa no hifarana fa ny fanampian’ny SOS Village d’enfants ireny ankizy kamboty sy sahirana ireny dia mbola hitohy hatrany. Tonga nanatrika ny fifanaranan’ny tetikasa omaly ireo tompon’andraikitra eny anivon’ny akany, notarihin-dRazafiarimanana Fidelinah Hanta Razafiarimanana Fidelinah Hanta, tompon’andraiki-paritra eto Analamanga, misahana ny tetikasa Quapem.
Pati
Legende : Rtoa Razafiarimanana Fidelinah Hanta, tompon’andraiki-paritra eto Analamanga, misahana ny tetikasa Quapem
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT