Sosialy

SOS Village d’enfants Feno 30 taona nanampiana ankizy kamboty


  • Zoma 05 Aprily 2019

Fikambanana iray niorina taorian’ny ady lehibe faharoa ny SOS Village d’enfants, hanampy ireo ankizy kamboty noho ny hamaroan’ireo ray aman-dreny namoy ny ainy tamin’izany fotoana.

 

Teny am-piandohana dia vola no nokasain’ny fikambanana nomena ireo ankizy ireo saingy rehefa nataony ny fanadihadiana dia fitiavana no tena ilain’izy ireny, indrindra fa ny tsy fananany reny sy ray hiara-monina aminy mandritra ny fiainany andavanandro.  Tonga teto amintsika ny fikambanana tamin’ny taona 1989 ary feno 30 taona katroka ankehitriny. Nampahafantarina omaly teny amin’ny SOS Villages d’enfants Andrainarivo ireo fandaharam-potoana entina hanamarihana ny faha-30 taonan’ny fikambanana. Nambaran’ny maitre Maria Raharinarivonirina, filohan’ny fikambanana fa tsy mora ny lalana nolalovan’ny fikambanana. Hafaliana ho azy ireo hatrany ny manohana ireo ankizy kamboty,  izay tsy miala eo ambany fiahian’ny fikambanana raha tsy efa lasa manambady na tafita soa aman-tsara, asa soa tsy  ilana tambiny. Hatreto dia miisa 1100 ireo ankizy nandalo tao anatin’ny fikambanana ankoatra ireo karakaraina amin’ny lafin-javatra hafa. Tamin’ny taona 2018, ohatra, dia nahatratra 49.556 ireo nahazo tombontsoa.Ny 913 tamin’ireo nahazo fiarovana manokana, ny 5.149 nomena fanampiana momba ny fifandraisany amin’ireo fianakaviany, ny 1.992 no nomena sakafo sy fampianarana, ny 19.308 no notsaboina teny anivon’ny CSB II, raha notolorana kopia mari-pahaterahana ny 22.194. Tanjon’ny fikambanana indray moa mandrapahatonga ny taona 2022 ny hahafahana manofana arak’asa ireo  tanora beazina ny SOS Village d’enfants miisa 130.

Pati sy Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT