Sosialy

SOS Village d’enfant Nitaiza ankizy 50 000 tao anatin’ny 30 taona


  • Talata 01 Oktobra 2019

913 ireo zaza kamboty noraisin’i SOS Village d’enfant Madagasikara. 1992 kosa ny fitambaran’ireo zaza sy tanora nampianarina. 19 308 ireo nahazo fiahiana ara-pahasalamana. ary 22 194 no nahavitana taratasy.

 

 

  Nandritra ny fankalazana ny faha-30 taona niorenan’ny fikambanana iraisam-pirenena SOS Village d’enfant omaly tetsy Vontovorona dia nisy ny fanolorana peratra tamin’ireo reny mpiahy noho ny fandavan-tenan’izy ireo. Tetsy an-kilany dia nanolotra mari-pankasitrahana sy mari-boninahitra ho an’ireo mpiasa 107 an’ny SOS Village d’enfant ny fitondram-panjakana. Tsy miova ny tanjon’ny fikambanana fa ny hanova ny ho avin’ireo zaza sy tanora tsy manam-piahy. Amin’izao fotoana izao dia manana akany 4  sy ivontoerana ara-tsosialy am-polony manerana an’i Madagasikara ny fikambanana SOS Village d’enfant izay nandraisana sy nikarakarana zaza, ankizy, tanora kamboty manodidina ny 50.000 anatin’ny 30 taona niorenany izay niezahan’ny fikambanana nanatanteraka nofy sy nitondra fahaleovantena ho an’ireo ankizy ary nanasoa ny fiarahamonina malagasy.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT