Sosialy

Sondrobidim-piainana 10,5% eo ho an’ny taona 2023


  • Alatsinainy 31 Jolay 2023

Eo amin’ny 4,0% ny fiakaran’ny harin-karena amin’ity taona ity, ary eo amin’ny 10,5% kosa ny sondro-bidim-piainana

eto Madagasikara ho an’ity taona ity, raha ny tomban’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena na ny FMI, tao anatin’ny tatitra mahakasika ny revio momba ny FEC (Facilité élargie de crédit). Raha ny efa nambaran’ny Tale mpanatanteraky ny FMI eto Madagasikara tany amin’ny jona 2023, dia iankinan’ny toekarena ny fahasarotana maneran-tany sy ny tranga ara-toetr’andro mahery vaiika izay lasa miteraka tsindry ara-toekarena. Taratry ny fiiantraikan’ny olana ara-toetr’andro izay namely tamin’ny fiandohan’ny taona 2023 ny zava-misy ankehitriny, ankoatry ny tombana mifandraika amin’ny fihisatry ny fiakaran’ny toekarena maneran-tany sy ny fahasarotana afa-pitantanana, toy ny zava-misy miantraika amin’ny sehatry ny lavanila. Isan’ny mampahery vaika ny sondro-pidim-piainana ny fiakaran’ny vidin’entana iraisam-pirenena, indrindra fa ny tontolon’ny sakafo tahaka ny vary ; ny fiakaran’ny vidin-tsolika izay nahatratra 43% teto amintsika tamin’ny jolay 2022, ny fiakaran’ny sandan’ny fanafarana entana,… hany ka tany amin’ny aprily 2023, ohatra, dia voalaza fa tafakatra 12,1% ny sondro-bidim-piainana. Vahaolana hatrany ho antsika ny miezaka mamokatra izay filàna azo vokarina eto. Sady miezaka mamokatra no miezaka hanana ambim-bava mba hanondrana satria raha ny ara-tsakafo, ohatra, dia miezaka mifehy ny fanondranana ireo firenena mpamokatra vary, ary misy aza ny efa nanatsahatra ny fanondranana, ka antony iray mampiakatra azy. Izay zavatra tsy maintsy hafarana any ivelany sisa no tokony hamoahana vola, saingy nisy fotoana teto amintsika, ny Filoham-pirenena mihitsy no nirehareha fa ny fanafarana PPN 20 sambo no atao hoe : fandrosoana, ary tsy afaka hiandry vary 2 taona vao miakatra, hoy izy tamin’izany. Mila mitodika amin’ny politikan’ny famokarana, fa tsy ho firenena mpanafatra lava sy ho fanarian’ny vahiny ny fakofakon’entany eto hatrany. Atao mahagaga ve raha tafanika 5000Ar ny sandan’ny 1euro saingy mbola sahiny ny miteny fa raha tsy nahay nitantana izy efa 10000Ar io?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT