Sosialy

« Somambisamby 2019 »n-dry Mahaleo Hipoka tanteraka ny Lapan’ny Kolontsaina


  • Alatsinainy 06 Mey 2019

Nalai-nisaraka tamin’ny tarika Mahaleo toy ny mahazatra ny mpankafy azy tetsy amin’ny seho Somambisamby 2019 notontosain’ny Gasy Event tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina omaly alahady 05 mey 2019.

 

 

 

Feno hipoka tanteraka hatreny am-pototry ny lapihazo indray ity Lapa ity omaly ka saika tazana tao daholo na ireo zokinjokiny indray nihira tamin’ny tarika na ireo zaza bodo vao vory saina nefa dia efa mahay an’ireo hiran’ny tarika Mahaleo sahady. Naseho tamin’ny “écran géant” rahateo ireo toninkira rehetra ka niara-niredona izany ny rehetra.  6  mirahalahy no nandrafitra ny tarika Mahamaleo omaly : Dama sady nanao ny hiran-dRaoul,  i Bekoto, Dadah, Charles, i Nary nitendry gitara “basse” fanaon’i Nono ary i Ony “Zandry Gasy” namelona ny feon’i Fafah. Efa vitanay ny 20 taona voalohany, hoy i Dama, efa vitanay koa ny 20 taona faha-2, fa miatrika ny faha-20 taona fahatelo izay tadim-panohizana anay zokinjokiny sy ny tanora mpandimby rahampitso isika ankehitriny.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT