Solontenan’ny mpiasa tsy

ankasitrahan’ny sendika Miatrika fivoriambe any Genève


  • Alakamisy 13 Jona 2024

Ny 3 jona teo no nanomboka ary hifarana ny zoma 14 jona izao ny fihaonambe iraisampirenena

momba ny asa na CIT izay atao any Genève, Soisa. Miisa 3 ireo lahadinika, hoy ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny FISEMARE na Firaisamben’ny sendika malagasy revolisionera, Mananandro Jean Raphael. Ny mampalahelo dia tsy mahasolo tena ny mpiasa malagasy ny solontena nofantenana ho any, hoy izy. Namoaka didim-pitondrana ny minisitera fa tsy tafiditra ao ny sendika. Nandefa taratasy moa ny FISEMARE ny amin’ny tsy tokony nandehanan’ireo olona ireo satria tsy mahafeno fepetra ary tsy tafiditra anaty sendika ireo olona nentina any. Sendika miisa 3 angamba izao no nanao antso. Teo ny FISEMARE. Nanao koa ny FISEMA dia ireny hitantsika ireny koa moa ny Randrana/SVS. Marina ireny voalazan-drizareo rehetra ireny. Ny FISEMARE no nisolo tena ny mpiasa malagasy tany Genève tamin’ny herintaona. Tokony maka amin’ireo sendika miisa 3 ireo ihany izany amin’ity taona ity. Na FISEMARE, na SECRIMA na FISEMA. Ireo raha araka ny navoakan’ny didim-pitondrana teo aloha. Raha ny didim-pitondrana farany teo kosa dia tafiditra koa ny Randrana/SVS. Tokony ireo sendika ireo izany no mivory sy mifanaraka hoe iza no tokony handeha? Satria raha sendika ve no mankany dia olana raha milaza ny marina sy ny tena zava-misy mikasika ny tontolon’ny asa eto Madagasikara? Henatra ho an’ny minisitera ny nitondrana ireo olona ireo any. Ny minisitera no namoaka ny didim-pitondrana dia izy ihany koa no mandika azy. Tsy gaga isika raha betsaka ny orinasa tsy manaja lalàna mifehy ny asa. Nilaza hijery akaiky ny raharaha moa ny OIT na Sampan-draharahan’ny firenena mikambana momba ny asa, hoy hatrany ny FISEMARE mikasika izay fifantenan’ny minisitera ireo solontenan’ny mpiasa tsy ankasitrahan’ny sendika izay.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT