Sosialy

“Société SDOI” Nizara savony ho an’ny traboina sy sahirana


  • Talata 05 Febroary 2019

Notanterahina ny zoma 01 febroary 2019 sy ny sabotsy 02 febroary lasa teo ny fanomezana fanampiana ireo traboina sy olona sahirana teto amin’ny faritra Analamanga nataon’ny orinasa na ny “SOCIETE SDOI”,

 

 

 

 izay mahatsiaro tena ho manana adidy amin’ny mpiray tanindrazana amin’izao fotoan-tsarotra izao. Marihina fa orinasa mpamokatra savony ny SDOI, ka anisan’ny zavatra natolony ho fanampiana ireo olona tratry ny loza voajanahary niseho teto Madagasikara izay namoizana ain’olona maro izany. Anisan’ireo nitondra ny anjara birikiny izany izy ireo, ankoatra ireo manampahefana eto amin’ny firenena. Naneho fisaorana ireo  rehetra tsara sitrapo sy ireo mbola vonona hifanome tanana an’ireo Malagasy noho ny voin-kava mahatratra ny SDOI. Ho an’ity orinasa ity manokana, dia hitohy any amin’ny faritra SAVA izao asa sosialy hataon’izy ireo izao, raha ny fanampim-panazavana. Voin-kava mahatratra rahateo ny fahasahiranana lalovan’ny mpiara-belona amin’izao fotoana izao, ka zava-dehibe ny asa sosialy sy anjara biriky hoentin’ireny orinasa lehibe ireny.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT