Sosialy

Soavinandriana Itasy Toaka gasy 500 litatra indray no tratra


  • Talata 06 Jolay 2021

Ahitam-bokany hatrany ny ady amin'ny zava-mahadomelina hataon'ny kaomiseran'ny Soavinandriana Itasy sy ny ekipany.

Taorian'ny nahatrarana rongony maro be, vao tsy ela akory izay dia sarona ihany koa ny toaka gasy 500 litatra, ny faran’ny herinandro teo teny amin'ny tobim-piantsonan'ny taksibrosy.Nandritra ny fisafona nataon’ny polisy no nahitana ireo toaka ireo. Nentina natao famotorana ny tompony izay lehilahy vao 32 taona monja, manam-bady sy zanaka 3, avy any Ankaranana.Fantatro, hoy izy, fa henjehan'ny lalàna ny fanaovana, fitondrana sy fivarotana toaka gasy fa nataoko ihany satria io no mba famelomako ny vady aman-janako. Raha araka ny fantatra dia efa 8 taona izy no nanaparitaka sy nivarotra toaka gasy tany Soavinandriana Itasy. Tsiahivina moa fa tsy nolanian'ny antenimieran-doholona ny lalàna avy amin'ny antenimieram-pirenena, manome falalahana ny toaka gasy. Midika izany fa mbola voararan’ny lalana hatrany ity vokatra ity.Isan'ny mitarika hatrany amin'ny fahavitàna heloka bevava, toy ny fanolanana sy ny vono olona moa ny fandraisana zava-mahadomelina tahaka izao, araka ny filazan’ny mpitsabo.
Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT