Sosialy

Soavinandriana – Itasy Nahazo fotodrafitrasa 2 goavana


  • Talata 21 Aogositra 2018

Nahazo toeram-pandidiana raitra sy moderna ny hopitalin’ny distrika any Soavinandriana (CHRD2). Nahazo fotodrafitrasa vaovao mahazaka mpianatra miisa 350 ihany koa ny lisea teknika. Ireo fotodrafitrasa roa sosona ireo no notokanan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina tany an-toerana omaly.

 

 Mitodika manokana aminareo tanora aho, hoy ny filoha satria ianareo no antoky ny fampandrosoana ny firenena ka mila mianatra tsara. Tahaka izany ihany koa ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana izay seha-pihariana miantoka ny fampandrosoana ny toekarena. Aza menatra miasa amin’ireo sehatra ireo mihitsy ianareo tanora, hoy izy. Ahitana lalam-piofanana momba ny fambolena sy ny fiompiana ary ny fanorenana fotodrafitrasa moa ity lisea teknika ao Soavinandriana Itasy ity. Teo amin’ny sehatry ny fahasalamana indray dia afa-pahasahiranana ny mponina any Soavinandriana ary tsy voatery handeha any Faratsiho, Arivonimamo na eto Antananarivo intsony rehefa misy fandidiana maika hatao fa efa vita ao amin’ity CHRD2 raitra sy ampy fitaovana ity. Mbola nisy ihany koa ny fanolorana kara-pitaovana atolotra ireo renim-pianakviana voatery hodidiana rehefa miteraka sy ny boatim-panafody sy kojakoja ara-pahasalamana maro samihafa. Nampahatsiahy ihany koa i Hery Rajaonarimampianina nandritra izao diany tany Soavinandriana izao fa tokony hahay hiara-kiasa sy handray andraikitra ireo ben’ny tanàna amin’ny fanamby lehibe momba ny fampandrosoana ny kaominina sy ny firenena ary atao mifantsika tsara ao an-tsaina fa ny mahasoa ny mponina no zava-dehibe indrindra. Tsy maintsy manova ny fomba fisainana isika raha te handroso, hoy hatrany ny filoham-pirenena.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT