Sosialy

Soavimasoandro Novonoiny ny rafozany dia nalainy ny vola


  • Zoma 28 Aogositra 2020

Mpanampy an-trano tamina tokantrano iray teny Soavimasoandro ity tovolahy ity izay vao 20 taona monja. Rehefa nandeha ny fotoana dia lasa olon-tian’ity farany ny zanak’ilay mpampiasa azy ka lasa tompon-trano izy.

 

 

 

Fantatr'ity lehilahy ity avokoa ny fiainana tao an-tokantrano noho izany ary tsikariny fa misy vola 15 tapitrisa Ar ao amin'ny efitranon'ny rafozany. Nitsiry tao an-tsainy ny hevi-dratsy noho izany ka rehefa lasa nandeha nivarotra ilay vadiny sy ny rafozan-dahiny dia novelesiny tamin'ny baramina tao ilay rafozam-baviny. Maty teo noho eo ity farany ka nalainy tao ilay vola notsoriritiny ary lasa nandositra izy.Tsy nipetra-potsiny ny polisy misahana ny ady heloka bevava sakelika fahadimy nanoloana izany fa nitady ilay nahavanon-doza. Fantatra tamin'izany fa nitsoaka tany Antanetibe Faratsiho ity lehilahy nahavanon- doza ity . Tsy niandry ela fa tonga tany an-toerana ny polisy ka tra-tehaka ilay tovolahy izay marihina fa efa naira-nipetraka tamin’ny sipany ihany koa izay nahafantatra tsara heloka nataony. Nosamborina avy hatrany moa izy ireo.

 

Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT