“Raisiny tanana avokoa ny mpivarotra na safoin’ilay mpanao ratsy ny lamosina na ametrahany tanana ny sandry. Avy eo tsy tompon’ny tenany fa tratran’ny be manaiky izy ireo.”
Io no fanazavan’ireo mpivarotra am-polony maro efa tratran’ity mpisoloky ity teo Soarano, omaly antoandro. “Tamin’ny volana desambra izy no nandraoka finday tao amin’ny tsenanay iray, niampy “carte” mitentina 16 tapitrisa Ariary. Nokasihiny avokoa izahay rehetra dia nanaiky fotsiny. Fa ilay lehibenay izay tao anaty trano fitaratra tsy voakasiny no tonga saina avy eo, fa efa lasa izy, nitondra fiara raitra tsy mataho-dalana lehibe izy. Izahay anefa tsy mpivarotra ambongadiny fa nanaiky fotsiny nahita ireo “carte” be dia be nampidiriny tao anaty kitapony ary tsy nandoavany vola”, araka ny fitantaran’ireo mpivarotra lasibatra. Efa tsy tazana nandritra ny volana vitsivitsy ity mpangalatra ity ary tsy itsofohany ireo efa nahavoazany. Vao nanokatra tsena hafa anefa ireto mpivarotra ireto ka tsy nampoiziny. “Niditra izy, niantsampy teny an-tsandrinay, sady nandray tanana. Efa nanangona finday toy ilay mahazatra ary tsy tompon’ny tenany avokoa izahay mpivarotra fa ny iray izay tao anaty trano fitaratra tsy voarainy no tonga saina tampoka fa tsy nikorapaka. Niandry azy hivoaka ary naniraka moramora ireo namany hanara-dia azy. Niantso mpitandro ny filaminana avy hatrany izy ireo. Marihina moa fa efa samy manana ny laharan’ny findain’ny mpitandro ny filaminana ireo mpivarotra”, hoy ny mpivarotra. Afaka fotoana vitsy, tonga ireo mpitandro ny filaminana ary nitondra ilay tratra ambodiomby any amin’ny biraon’ny polisy hatao famotorana, miaraka amin’ireo mpivarotra izay hijoro vavolombelona sy mpitory. Samy talanjona ireo mponina sy mpandalo teo Soarano fa manao fanamiana mihaja ilay mpangalatra. Ny famantarana manokana teo amin’ny sandriny no nampitamberina azy tao an-tsain’ireo rehetra efa voasolokiny.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.