Sosialy

SOANIERANA IVONGO Trano 391 isa no ravan’ny afo


  • Alatsinainy 27 Desambra 2021

Nitrangana haintrano mahatsiravina tany amin'ny fokontany Ambinany, distrikan’i Soanierana Ivongo ny 24 Desambra lasa teo.

Mitontaly 391 tafo ireo trano rava sy kilan'ny afo nandritra izany noho ny antony tsy fantatra. Tranona mpamongady (grossiste) ny 90 tamin'ireo trano may ireo hoy ny vaovao. Mahatratra 1955m2 ny velaran-tany misy ny fahapotehana izay sady nahavarana vola no nahasimbana fananana ihany koa. Na izany aza tsy nisy ny aina nafoy saingy 10 kosa ireo olona naratra nandritra ny famonoana ny afo. Raha tsiahivina mantsy dia nanomboka tamin'ny 5 ora sy sasany hariva ny afo raha tamin'ny 11ora alina vao tonga ny sampana mpamonjy voina avy any Foulpointe. 1.173 isa no fitambaran'ny tsy manan-kialofana vokatr’izany. Tombanana ho 5 miliara Ar ny fananana potika, amin’ny ankapobeny. Napetraka vonjy maika ao amin'ny tranom-pokonolona moa ny sasany tamin'ireo traboina. Tonga nijery ny fahavoazana sy nankahery azy ireo ny governoran'ny faritra Analanjirofo, Randriamanantena Marcellin sy ny avy amin'ny birao mahaleo tena misahana ny loza voajanahary.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ilay haintranobe !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT