Sosialy

Soanierana Ivongo Asiana zioga toy ny biby ilay tsy salama saina


  • Alakamisy 05 Martsa 2020

Tranga tsy dia fahita firy eny amin’ny fiarahamonina ity hita any Soanierana Ivongo ity, izay zary lasa niteraka adihevitra.

 

 

 Olona iray voalaza fa tsy salama ara-tsaina no nohidiana ny tanany anankiroa, ka mizoga hazo any amin’izay rehetra alehany. Tsy haritro ka nalaiko sary, hoy ny olona nahatsiaro ho tohina manoloana ilay toe-javatra. Raha adala ve ny olona iray dia tsy maninona raha asiana zioga be ohatra an'io ny tanany? Tsy misy fitazonana adala ve eto amintsika na hopitaly afaka mandray an-tanana ny olona manana olana ara-tsaina tahaka izao ? Very zo ve ny adala ka ampitoviana amin’ny biby sanatria tahaka ny alika, liona na voay masika be ny fitondrana azy ? Amiko dia mampalaelo sy tsy rariny satria olombelona izy io, hoy ny fanehoan-kevitra. Tena niteraka adihevitra lehibe tao anatin’ny tambajotran-tserasera moa ity tranga anankiray ity.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT