Sosialy

Soaniedanana PK 67 Ho avy ny voly vary sy legioma ary fiompiana trondro


  • Talata 12 Janoary 2021

Mitohy hatrany ny asa fanasoavana ny mpiara-belona tanterahin-

 

 

 

dRafanomezantsoa Jean Nirina, filoha nasionalin’ny HAFARI Malagasy. Tsy mba ny hanam-bolabe any amin’ny banky na ny hanan-karena mihoampampana mantsy no tena tanjona fa ny hamboly fihavanana amin’ny olon-drehetra sy hanampy ny mpiara-belona hahafahana miady amin’ny fahantrana. Fanamby hapetrany vaovao araka izany manomboka amin’ity taona 2021 ity ny hanangana orinasa hanamelo-maso ny tany indray. Aminy mantsy dia ny fiverenana amin’ny tany ihany no hany vahaolana tokana hahafahana manavotra ny sosialim-bahoaka raha tiana handroso Malagasikara. Anisan’ny hanaovany ezaka goavana eny amin’ny PK 67 Soaniedanana ohatra ny voly vary an-tanety hanalana ny Malagasy amin’ny fihinanana vary avy any ivelany efa feno akora simika. Toraka izany koa ny fiompiana trondro sy ny fambolena legioma. Olona an-jatony no efa tapa-kevitra hanao izany asa goavana izany hipetraka eny Soaniedanana nanomboka ny faran’ny herinandro teo. Mbola ny fikambanana HAFARI avokoa no hiantoka ny momba azy ireny sy ny zavatra ilainy amin’izao fiaingana izao fa aorian’ny 3 volana kosa dia efa afaka hiady amin’ny herim-pony manokana izy ireny raha manao ezaka tsara. Tsiahivina moa fa fahombiazana tanteraka no azon’ny fikambanana tamin’ilay fampisehoana goavana notanterahiny teny Soaniedanana tamin’ny sabotsy 10 janoary teo. Olona marobe no tonga nanotrona ny lanonana teny an-toerana ary samy niaiky fa ny olona no harena sy hahafahana manavotra ny firenena toy ny fanamby hapetraky ny filoha nasionalin’ny HAFARI hahafahana miady amin’ny fahantrana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT