Raha efa somary nafampana ny andro tao ho ao dia nivadika izany, nanomboka ny sabotsy alina, ho an'Antananarivo renivohitra.
Vokatry ny fitsokan'ny alizay dia nidina ny mari-pana no sady nandrivotra ny andro. Tsy dia namana firy, vokatr'izany Ingahibe masoandro, nandritra ny lamesa notarihin'ny papa Ray Masina teny Soamandrakizay. Ireo mpivarotra hani-masaka no tena nizaka ny voka-dratsin'ny rivotra, izay nampitora-jofo ny vovoka, hany ka nisy tamin'ireo sakafo no norakofan'izany vovoka izany. Ny latabatra nisakafoanana moa, tsy lazaina intsony. Fa isan'ny nitarainan'ireo mpivarotra sasany ihany koa ny tsy nahazoan'izy ireo jiro sy rano, araka izay nifanarahana tamin'ny fanofana ny trano heva, izany hoe nisy ihany fa tsy nahasehaka ireo mpivarotra. Simba, vokatr'izany, araka ny fitarainana voaray hatrany, ireo sakafo mila vata fampangatsiahana, toy ny hena. Maro no nimenomenona mihitsy omaly tolakandro rehefa vita ny fotoana satria nahatsapa fa maty antoka. 600 000 ariary no hofan’ny trano heva iray, nisy anefa ny mpivarotra tsy nahazo io vola hofantrano io akory satria simba sy tsy azo namidy intsony ny sakafo.Tetsy ankilan’izay maro be ihany koa ny olona efa nivatsy zavatra hohanina avy any an-trano , izany hoe tsy nanjifa ny entana teny Soamandrakizay; tao koa ireo nivoaka nitady tsakitsaky amina hotely kely taty ivelany satria tsy takatr’izy ireo ilay vidin-tsakafo 6000 ariary ho an’olona iray.Azo lazaina ho isan'ny hetsika lehibe tsara fanomanana indrindra teto amintsika ity fandraisana ny Papa Fransoa ity. Isan'ny nisaorana ny besinimaro ny fanajana ny filaminana, saingy mbola misy hatrany ny pitsony tahaka izao izay tokony arenina amin’ny manaraka.Mbola mila fiezahana ny fandaminana vahoaka maro ; mazava ho azy tsy maintsy misy foana ny maningana sy ny indro kely saingy azo atao tsara ny manatsara hatrany mba ho manara-penitra arak’ilay fomba fiteny tokoa ny zavatra atao.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.