Sosialy

Soa fianatra Azo atao tsara ny manadio ny tanàna


  • Alatsinainy 09 Septambra 2019

Resaka etsy sy eroa ny fiovana endrika tampoka hita teto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina tato anatin'ny herinandro izao.

 

 

Namboarina ny arabe sy ny sisin-dalana. Io moa tetikasa nanomboka efa tamin'ny volana febroary, nodiovina ireo toerana malaza ratsy feno maloto sy maimbo tahaka ny eny ambany tetezana Behoririka, afaka ara-potoana fa tsy manimba maso sy manempotra ireo dabam-pako. Voaloko sy voaravaka hatramin'ny trano tsy nisy mpikitika efa ho 20 taona tahaka ny etsy Andohananalakely. Anisan'ny tsy mampino kanefa nitranga dia niala avokoa ireo fiarakodia mitoetra amin'ny sisin'arabe tahaka ny eny Antanimena, Ankadifotsy, Ankorondrano,... Tetsy Ankorondrano aza dia notaritina tamin’ny alalan’ireny fiara lehibe ireny mihitsy ireo fiara nandika ny lamina mbola ninia nijanona teo amin’ny sisin-dalana. Tsy nofinofy fa tena azo atao tsara ihany izany ny mandamina ny tanàna rehefa samy mandray andraikitra ny fitondrana foibe sy ny CUA ary miasa miaraka. Nanaiky ny fandaminana ihany koa ny mponina. Tsy tokony hasiana resa-politika sy kajy politika ny tahaka izao ka ny voka-tsoa aterany no mila jerena. Ny fanontaniana mipetraka izao dia ny hoe haharitra ve izao fiovam-penitra izao ? Sa vao dila eo ny Papa Fransoa dia hiverina ny loto sy ny gaboraraka ? Irariana mba hitohy ny fandraisana andraikitra ka tsy hijanona ho vonjy tavanandro na ho haingo ambony tsikoko ihany ny zavatra tahaka ireny ary mila mizatra sy miezaka manara-dalàna ny rehetra.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT