Sosialy

Siramamy sy menaka Niaka-bidy indray eny an-tsena


  • Talata 17 Aprily 2018

Nahitana fiakarany 200 Ar isaky ny kilao ny vidin’ny siramamy eny amin’ny tsenan’Anosibe nanomboka ny herinandro teo.

Nahitana fiakarany  2.000 isaky ny bidon 20 litatra ihany koa  ny vidin’ny menaka izany hoe : raha 80.000 Ar teo aloha dia tafakatra ho 82.000 Ar ankehitriny.  Ankoatra izay raha araka ny fanazavan’ireo mpivarotra etsy Anosibe  ihany dia nahitana fiakarany ihany koa ny vidin’ny  atody noho ny fidiran’ny vanim-potoana ririnina izay mampahavitsy ny atody alatsak’ireo akoho. Velon-taraina avokoa vokatr’izany ny mpivarotra ka ho an’ireo mpanao kafé sy mofo ohatra dia any amin’ny habetsaky ny kafe sy ny hatevin’ny mofo endasina no hahenan’izy ireo, raha araka ny fanadihadiana natao. Na izany aza anefa dia nahitana fihenany 200 Ar isaky ny kilao kosa ny vidim-bary eny amin’ny tsenan’Anosibe.  Noho  ny fitobaky ny vary vao  no voalaza fa anton’izany.  Raha 2300 Ar ohatra ny iray kilao tamin’ny vary gasy teo aloha dia nidina ho 2100 Ar izany ankehitriny.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT