Sosialy

Siramamy Namakia Halefa eny amin’ny mpaninjara avy hatrany


  • Alarobia 27 Aprily 2022

Niaiky ny Minisitry ny Indostria sy ny varotra Atoa Edgard Razafindravahy, fa tena nisy ny fahasarotana teo amin’ny famatsiana siramamy tato anatin'ny andro vitsivitsy, ary nahitana fisodrotam-bidy ihany koa.

Efa tonga ny siramamy avy any Namakia, ary halefan'ny SPM (State Procurement of Madagascar) avy hatrany any amin’ny mpaninjara na “détaillants”, hoy ny fanazavana. Tsiahivina fa 2750Ar isaky ny kilao no hanjifan'ny mponina eny amin'ny mpaninjara an'ity siramamy Namakia ity. Efa ho avy ihany koa, hoy ny Minisitra, ny siramamy Ambilobe hiarahan'ny MICC miasa amin'ny SPM hanamaivana sy hanomezana lanja ny vokatra avy eto an-toerana. Efa hita koa fa manomboka miakatra ny voka-bary eto amintsika ka hoesorina tsikelikely ny Vary Tsinjo. Nohamafisiny fa amin'ity taona ity dia hisokatra ary hamokatra avokoa ireo ozinina mpamokatra siramamy toy ny any Brickaville, Antanimifafy ary Mahatalaky. Raha ny zava-misy eran-tany eo amin’ny filàna andavanandro ho an'ny mponina, saika niteraka fahasahiranana lalina sy nihoampampana teto amintsika izany raha tsy nandray fepetra namerana ny vidiny farany ambony amin’ny entana ilaina andavanandro na PPN ny fitondram-panjakana, hoy ny fanazavana. Nambara fa nananontanona antsika ny krizy teo amin’ny menaka, lafarinina, savony, siramamy,… raha tsy natao io « plafonnement » io.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT