Sosialy

Siramamy Namakia Efa naparitaka eny an-tsena, 3800 Ar ny kilao


  • Alatsinainy 23 Janoary 2023

Efa mahatratra 6.000 Ar amin’izao ny iray kilao amin’ny siramamy fotsy eny an-tsena. Vidiana 1500 Ar ny fahefany ka tena mampitaraina sy mampikaikaika fatratra ny mpanjifa.

Niezaka nitady vahaolana ny Ministeran’ny Varotra sy ny fanjifana manoloana izany amin’ny alalan’ny fanapariahana ilay siramamy Namakia. Efa tonga eny an-tsena nanomboka tamin’ny sabotsy teo izy io, hamidy amin’ny vidiny 3800 Ar ny iray kilao. Toeram-pivarotana enta-madinika maro no efa nahitana izany toy ny eto Antananarivo sy ny manodidina, ahitana ny tsenan’Isotry, Mahamasina, Namontana, Pavillon 102 etsy Analakely, 67 ha, Mahazo, Ambohimangakely, Ambohidratrimo, Alakamisy Fenoarivo ary Itaosy….Fiaraha-miasan’ny MICC sy ny SPM no nahafahana nanatontosa izany. Tanjon’ny Ministra tompon’andraikitra ny hanamaivanana ny fahasahiranan’ny isan-tokantrano manoloana ny fidangan’ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ankehitriny.
Pati
Legende : Tsy tokony ho lafobe intsony ny vidin’ny siramamy eny an-tsena
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT