Sosialy

Siramamy Namakia 3.200 Ar ny iray kilao manomboka izao


  • Alatsinainy 25 Jolay 2022

Efa tafakatra 4.000 Ar ny iray kilao amin’ny siramamy tamin’ny herinandro lasa teo teny an-tsena. Tsy nisy izay tsy nitaraina vokatr’izany ireo mpanjifa indrindra fa ireo mpanao mofo sy kafe.

Voatery nampiakatra ny vidin’ny mofogasy ho 200 Ar noho izany ireo mpivarotra sasany raha misy mahatratra 300 Ar ny an’ny sasany. Nandray ny andraikitra tafindry azy araka izany ny Ministeran’ny varotra sy ny fanjifana. Tonga namatsy siramamy Namakia teny amin’ny 67ha, Anosizato, Namontana, Ambohimanambola, Mahazo ary Manjakaray izy ireo ny faran’ny herinandro teo. Nanaterana siramamy Namakia mivantana mihitsy izy ireo mba hitsinjovana ny mpanjifa manoloana ny mety ho fanararaotana amin'ny fampiakarana ny vidin'entana. Tsy maintsy amidy amin’ny vidiny 3.200Ar araka izany ny siramamy iray kilao manomboka izao ary tsy maintsy hisy ny mpanara-maso. Na izany aza anefa hatramin’ny faran’ny herinandro teo dia mbola betsaka ireo mpivarotra tsy nahazo ity siramamy Namakia ity. Miantso ny ministera araka izany ireo mpivarotra mba ny tsena rehetra no hovatsiana fa tsy ny eto an-drenivohitra.
Nangonin’i Pati
Legende : Mangataka siramamy azo amidy mora avokoa ny ankamaroan’ireo mpivarotra

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT